#2 Tantara any an-kafa... ao “Tunisie” : mety hampidi-doza ny fitanterana tranganà kolikoly

bg-image Nivoaka ny 19 Mey 2016 ao amin'ny Tantara any an-kafa

Tao Tonizia, olona roa nandray horonantsary polisy nangataka vola tamina mpitondra fiara anankiray no voatazona, sy notevatevaina ary voadaroka ihany koa. Ny iray tamin’izy roalahy moa dia voaheloka higadra telo volana any am-ponja. Ny tantara dia hitanao ao amin’’ny tranonkalan’ny Observateurs de France 24  amin’ny alalan’iity rohy manaraka ity : http://observers.france24.com/fr/20...

Ilay horonantsary kosa dia hita tao amin’ny pejy Facebook "Scandales du ministère de l’Intérieur", izay mitahiry ireo fanararaotana ataon’ireo polizy toniziana.

Mba hisorohana ny trangan-javatra tahaka izany dia misy firenena sasany izay mampitondra fakan-tsary ireo polisy izay hahitàna ny ataon’izy ireo mandritry ny asany.