Fifanakalozan-kevitra “Ny fahafan’ny firenena avy any ivelany mampihatra ny lalàny mahakasika ny kolikoly : inona ny vokany ho an’ireo orinasa iraisa-pirenena miasa eto madagasikara ? –CCIFM – 24 febroary 2016

bg-image Nivoaka ny 01 Martsa 2016 ao amin'ny Hetsika,

Ny 24 febroary 2016 lasa teo dia nanatanteraka famelabelaran-kevitra narahina ady hevitra tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Fransa Madagasikara an’Antananarivo ny talen’ny Transparency International Initiative Madagascar.

Ny petrak’olana noresahana dia ny hoe: fahafahan’ireo firenena any ivelany mampihatra ny lalàny mahakasika ny kolikoly: Inona no vokany eo amin’ireo orinasa avy any ivelany mandraharaha eto Madagasikara?”

Ity famelabelaran-kevitra ity izay natao hoan’ireo Mpikambana ao amin’ny amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Fransa Madagasikara ary koa ireo mpandraharaha aratoekarena dia nampivondrona vahiny miisa telopolo mahery avy amin’ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny fihaonan’ny vondrona Fandrahararàna.

Chambre de Commerce et d'Industrie France Madagascar