Kaominina ao amin’ny faritra Boeny sy DIANA : Fisokafan’ny « appel à manifestation d’intérêt de projet « Ohatrinina ny tetibolan’ny kaominina misy ahy ? » hiaraha-miasa amin’ny Transparency International-Initiative Madagascar

bg-image Nivoaka ny 02 Septambra 2016 ao amin'ny Hetsika,

Daty farany hametrahana ny antontan-taratasy : 30 septambra 2016

Antso natokana hoan’ireo kaominina ao amin’ny distrikan’ny :

Faritra Boeny : Mahajanaga II, Marovoay, sy Mitsinjo

Faritra DIANA : Antsiranana II, Ambilobe.

Mba hahazoana antoka ny fiaraha-mitantana mangarahara eny anivon’ny kaominina dia manatontosa tetikasa iray antsoina hoe « Ohatrinona ny tetibolan’ny kaominina misy ahy ? » ny Transparency International-Initiative Madagascar. Io tetikasa io dia ho tanterahina eny anivon’ny kaominina valo ao amin’ny faritra Boeny ary kaominina valo ao amin’ny faritra DIANA ary maminavina ihany koa ny hanatontosa asa ankisisika sy fandresen-dahatra eo anivon’ny firenena.

Mba hahafahana misafidy ireo kaominina, dia nametraka « appel à manifestation d’intérêt » ho an’ireo kaominina maniry ny hahazo tan-tsoroka ara teknika avy amin’ny TI-IM amin’ny lafiny fampiofanana sy torohevitra hampiasana ireo fitaovana momba ny fiaraha-mitantana mangarahara ny kaominina mba hahafahana miady amin’ny kolikoly.

Raha te hisoratra anarana dia alefaso aminay alohan’ny 30 septambra 2016 amin’ny alalan’ny taratasy na mailaka (contact@transparency.mg) ireto taratasy manaraka ireto :

  • « fiche de renseignement » azo alaina ao amin’ny tranonkalan’ny TI-IM (http://transparency.mg/mg/hiara-mientana-aminay) na azo alefa paositra aorian’ny fangatahana tsotra an-telefaonina (0349641879)
  • « lettre de motivation » tsy mihoatra ny 500 teny raha be indrindra amin’ny teny Malagasy, ary manoritsoritra ny antony sy ny tombontsoan’ny kaominina mba hahazo tombontsoa amin’ny tohana entina ny fitantanana eo aminy
  • « délibération communale » manaiky ny fangatahana amin’ny anaran’ny kaominina.

Raha mila fanazavana fanampiny dia azonao atao ny miantso anay amin’ny laharana 034 96 418 79 / contact@transparency.mg.

http://transparency.mg/mg/hiara-mientana-aminay