TSY EKENA NY FIKASAN’NY GOVERNEMENTA MALAGASY HANOME TAMBIN-KARAMA IREO MPANONDRANA ANDRAMENA ANTSOKOSOKO

bg-image Nivoaka ny 28 Septambra 2018 ao amin'ny

FANAMBARANA

Antananarivo, 28 septambra 2018

Fivoriana manandanja lehibe ho an’i Madagasikara no hiseho ny 02 Oktobra ho avy izao any Sotchi, Rosia. Amin’io andro io ny governemanta no hampahafantatra amin’ny Komity Maharitra mikasika ny Fifanarahana momba ny Varotra iraisam-pirenena ny harena voajanahary tandidom-doza (CITES) ny tolokeviny momba ny fizotran’ny fanisana ny tahirin-kazo sarobidy malagasy sy ny drafitra kasainy hampiasana ireto farany. Ho antsointsika hoe “Business plan” izany drafitra raharaham-barotra izany.

Mikasa hanome tambin-karama an’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna hazo sarobidy nanolo-tena tamin’ny 2011 ity drafitrasa ity mba afahafahan’ny governemanta mampizotra ny fanisana sy ny fitandrovana ireo hazo eo ambanin’ny fifehezan’izy ireo. Izany hoe hovidian’ny governemanta amin’ireo mpanondrana antsokosoko izany ireo hazo anananan’izy ireo. Mitetika ny fivarotana ireo hazo tahiry ireo ihany koa ity drafitrasa ity aorian’ny fanisana azy ireo.

Fifanarahana iraisam-pirenena nihatra nanomboka tamin’ny 1975 ny CITES, ary ny fiarovana ny harena voajanahary tadidomin-doza no tanjona kendreny. Saika mpikambana ao amin’ny CITES avokoa izay ao anatin’ny Firenena Mikambana. Nanasonia izany fifanarahana izany I Madagasikara ny 20 Aogositra 1975.

Manery araky ny lalàna ireo firenena mpikambana ao aminy ny fanapahan-kevitra raisin’ny CITES. Mila mampifanaraka ny lalàna ao aminy amin’ny fanapahan-kevitry ny CITES izy ireo.

Tamin’ny fivoriana faha-69-n’ny Komity Maharitry ny CITES tamin’ny 2017, tany Soisa, dia efa nanolotra endriny voalohany tamin’io “Business plan” io ny Governemanta Malagasy saingy tsy nahomby ny tetiny. Nolavin’ny Komity Maharitry ny CITES ny antotantaratasy satria hono misy lafinjavatra sasantsany amin’ireo tatitra no mila hasiana fanamboarana.

Ho atolotra amin’ny fivoriana faha-70n’ny Komity Maharitra indray izany ity drafitrasa vaovao ity kanefa, raha zohina, dia mbola tsy mamaly an’ireo toromarika sy fepetra napetrak’ireo firenena mpikambana ao amin’ny CITES ihany izany. Tsy ahitana soritra tetika fanarahamaso ireo varotra mety ho ataon’ny Fanjakana Malagasy ity “Business plan” ity. Tsy milaza na inona na inona ihany koa izy mikasika ny vokatra mety ho aterak’io varotra io eo amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy.

Vao tsy ela akory anefa izay dia nasehon’ny Organized Crime and Corruption Reporting Project (OCCRP) tamin’ny alalan’ny lahatsoratra fanadihadiana fa mbola miasa soa amantsara ireo vondron-jiolahy mpitrandraka andramena eto Madagasikara, izay miray tsikombakomba amin’ireo mpitantana sy mpitondra fanjakana. Mbola tsy maty manota izy ireo hatramin’izao.

Ny 27 septambra teo dia niara-namokatra tatitra iray ny Environmental Investigation Agency (EIA), ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM) ary ny Alliance Voahary Gasy (AVG), manazava ny antony angatahan’izy ireo ny hitsipahan’ny Komity Maharitry ny CITES ity “Business plan” ity.

Tsapa fa fanitsahana tanteraka ny tany tan-dalàna mantsy ilay eritreritra hanomezana tambin-karama ho an’ireo mpitradraka andramenaa tsy ara-dalàna noho ny fahatahorana ny vali-kitsaka mety ho ataon’izy ireo, ary ny tontolo iainana sy ny vahoaka Malagasy no hizaka ny vokatr’izany.

Hoy ny Tale Mpanatanteraky ny EIA, Alexander von Bismarck, izay niantsehatra tamin’ny fanadihadihana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy eto Madagasikara: “Hamporisika ireo mpanao ratsy sy hanome ohatra mamoafady ho an’ireo firenena sasany efa nahangona hazo halatra ny fanekena io drafitrasan’i Madagasikara io.” Efa tsikaritry ny EIA tsara tokoa mantsy ny vokadratsin’ny fivarotana ratsy rindra an’ireo tahirin-kazo sarobidy tamin’ny firenena hafa toa an’I GuinéeBissau.

Voalaza ao anatin’ilay Drafitrasan’I Madagasikara fa vao vita fitsirihana sy voaisan’ny manampahefana ireo tahirin-kazo sarobidy ireo dia afaka ho amidy. Voalaza ao koa fa ho arotsaka ao amin’ny tetibolam-panjakana ankapobeny ny 25%-ny vola azo amin’izany, ny 25% ho an’ny tetibolan’ny vondrona itsinjaram-pahefana (Faritany, Faritra ary Kaominina), ary ny 50% ambiny kosa ho an’ny “asa natao hikolokoloana ny hazo”. Toa maha-te-hidera izany fitsinjaram-bola izany raha jerena amboalohany kanefa loza manambana tanteraka ny firenena rehefa tena dinihina. Tsy voafaritra mazava ao anatin’ity “Business plan” ity mihitsy mantsy ny paikady fanaraha-maso sy fametrahana ny mangarahara eo amin’ny fampiasana ny vola azo amin’ny famarotana ireo tahirin-kazo sarobidy ireo. Mety hiteraka fanodikodinam-bola avo lenta izany tsy fisian’ny paikady fanaraha-maso mazava izany ka rariny loatra raha miahiahy izahay satria tsapanay fa tsy hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy velively ny famarotana ireo hazo ireo amin’izao rafitra petatoko izao.

Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny Komity Maharitry ny CITES izahay mba hanongilantsofina sy hijery akaiky izany ahihainay izany, katsy hanaiky ilay Drafitrasa ho atolotry ny Governemanta Malagasy. Na dia nisy aza ny ezaka teo amin’ny fanatanterahana ilay drafitrasa teo aloha dia toa marefo sy vitsy loatra izany raha ampitahaina amin’ny loza manambana ho entin’ny fanekena io “Business plan” io.

Maro ny aretina mikiky an’i Madagasikara, ary anisan’izany ny fisian’ny tsy maty manota sy ny kolikoly. Ny fanekena ity Drafitrasa ity dia mira fanokafana midanadana ny varavaran’ny firenentsika manoloana ireo zava-doza ireo, sy ny fampidirana azy ho fomba fiasa anatin’ny rafi-pitondrana sy rafipahefana rehetra.

Manao sonia

Alliance Voahary Gasy (AVG)

Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM)