TV5Monde – Le Journal Afrique – 28 Janoary 2016 : Ny kolikoly ao Madagasikara sy ny tatitra farany isan-taonan’ny Transaparency International

bg-image Nivoaka ny 29 Janoary 2016 ao amin'ny Hetsika, An-gazety

 

Horonantsary fanadihadiana tao amin’ny Gazetin’i Afrikan’ny TV5 Monde taorian’ny fanapariahana ny Maripandrefesana momba ny kolikoly ny 27 janoary izay nokarakarain’ny Transparency International Initiative Madagascar teto Antananarivo.

Jereo na avereno jerena : Ny kolikoly sy ny tatitra isan-taona farany navoakan’ny Transparency International. Ity fikambanana ity dia namoaka fandaharana firenena miisa 168, hatramin’ny madio indrindra ka hatramin’ny firenena feno kolikoly indrindra. Ao amin’io sokajy farany io no hahitana ny ankamaroan’ireo firenena Afrikana. Ady amin’ny kolikoly, iray tamin’ireo fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena Malagasy izay lany roa taona lasa izay. Kanefa eto Madagasikara dia tena fanatanjahantena nasionaly mihitsy ny kolikoly. Horonantsary fanadihadiana.

Rohy mankany amin’ilay horonantsary: https://www.facebook.com/JTAfrique/videos/1017159621679286/#sthash.1PAYJYrL.dpuf