VALANDRESAKA IOMBONANA ATAO AMIN’NY MPANAO GAZETY

bg-image Nivoaka ny 24 Aogositra 2018 ao amin'ny Hetsika, An-gazety, ,

Hôtel Le Grand Mellis Analakely

 

Vao tsy ela akory izay ny OCCRP (Organized Crime and Corruption Reporting Project) dia nanatona ny  Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM)  sy ny  Alliance Voahary Gasy (AVG)mba hanangona vaovao sy antontan-kevitra momba ny fanondranana an-tsokosoko andramena eto Madagasikara.

Ny vokatr’izany fikarohana izany dia natambatra ao amin’ny lahatsoratra faran’izay tsara iray mitondra ny lohateny hoe “The Fate of Madagascar’s Endangered Rosewoods”, nosoratan’i Khadija Sharife sy Edward Maintikely.  Ry zareo dia manamafy ny famakafakana efa vitanay sy ny efa nataon’ny fikambanana hafa manam-pahaizana manokana momba io toe-draharaha io, toy ny  Environmental Investigation Agency (EIA), ary nampirisihiny koa izahay  hijoro ka hampahatsiahy ny zava-misy tena mibaribary ary handroso tolo-kevitra mba hamongorana hatramin’ny fotony an’io zava-doza io.

Lahatsoratra feno miravaka sary  izy io, ary tsy isalasalana fa tena mitombina ilay famakafakana, hany ka mahazo laka  soa aman-tsara  indray ilay resaka efa hadinon’ny rehetra –  asa na niniana natao io na tsia – satria ny tambajotran’ny mpanondrana dia mbola manao ny ataony ihany ary mbola tsy mety ho fongana foana ny fomba ratsy mahazatra.

 Mitombo ny filan’ny kandidà samihafa vola  amin’izao vanim-pitoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ary mety hisy ny fakampanahy hiroso any amin’ny fivarotana andramena, ka heverinay fa rariny loatra raha mbola mampaneno  ny lakolosy fanairana indray izahay momba ny raharahan’ny “hazo sarobidy.”1

    Ny fanjakana Malagasy izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena dia maniry ny hanamora ny fivarotana ny andramena nogiazana (bolabola 28.523) ary ny andramena voasoratry ny tompony manokana ( bolabola 274.111)2. Ny fanapahan-kevitra toy izany dia mety hampihetsika indray ny tambajotra  efa niatoato tamin’ny fanondranana  an-tsokosoko ka hampisy indray toy ny taloha, fifampiraharahana tsy ara-dalàna afenina ao am-badiky ny fandraharahana nahazoana alalana. Mahalasa saina anay ny mahita ny Banky Iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola hafa manaiky ny ho moramorainy ery amin’ny fitondrana ankehitriny mikasika an’io raharaha io, nefa vakoka iraisam-pirenena sy hoavin’ny mponina iray manontolo mihitsy no efa tandindomin-doza.

   Nanaiky ny fanjakana Malagasy tamin’ny 2016 fa hampihatra ny tolo-kevitra rehetra avy amin’ny CITES mikasika ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fitantanana ny tahirin’ny hazo sarobidy. Iray amin’ireny fepetra ireny ny fanamafisana hentitra ny ady atao amin’ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, amin’ny alalan’ny fanagiazana, fanadihadiana, fanagadrana, fitoriana ary fanasaziana3. Araka ny fantatray anefa, tsy misy notanterahina hatramin’ny farany na iray aza ny tolo-kevitra fito avy amin’ny CITES, afa-tsy ny fanombohana ilay fizarana F (Fanisana), amin’ny lafiny sasany ihany; io anefa raha jerena tsara dia natao fotsiny mba hanamora ny mety ho fivarotana ny hazo voaangona. Midika izany fa tsy nampiharina ilay Drafitr’asa ary tsy nisy mihitsy finiavana politika na kely aza avy amin’ny mpitondra.

    Tsapanay fa ny ezaka natao dia vonjy tavan’andro sy takon-kenatra fotsiny, ary tsy ahitana taratra finiavana marina hiatrika ilay olana, dia ny fisian’ny tambajotra mahavoarohirohy olom-boavody sy manam-pahefana politika, manomboka any amin’ny fikapana ny hazo any amin’ny faritra voaaro ka hatrany amin’ny fanondranana azy tsy ara-dalàna sy ny fivarotana azy. Ny hetsika atao dia ohatra ny atosiky ny faniriana fotsiny hahazo ny famatsiam-bola iraisam-pirenena hoentina manisa sy manara-maso ny tahirin’ny andramena eo am-pelatanana, ary indrindra hahatsara tahiry ny loharanom-bola ho an’ny fifidianana  ho avy.

  Ohatra amin’izany, ilay hoe rojo manokana miady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny andramena sy/na ny “hazo mainty” dia tsy niasa raha tsy telo taona taorian’ny namoahana ny lalàna lah. °2015-056 ny 17 décembre 2015 nananganana azy, volana vitsivitsy mialoha  ny fivorian’ny Komity maharitry ny CITES izay hatao ny volana oktobra amin’ity taona ity any Rosia. Ankoatra izany, heverinay fa raha nisy mpanao gazety afaka nitsofoka tao anatin’ny tambajotran’ny “mafia” ka nahavita nitana an-tsoratra ny fomba fiasany tamin’ny antsipiriany dia tokony mba ho nahavita izany koa ny fanjakana raha tena nanana finiavana politika hanao azy marina izy.

  Ny vokatry ny fanadihadiana dia mampiseho ny fikasana hivarotra bolabolan’andramena an’arivony maro izay tohanan’ny fanjakana Malagasy. Toy izao no fanazavan’i Alexander von Bismark, Talen’ ny Fanatontosanan’ny EIA :  ”Na teo aza ny antso avo nataon’ny manam-pahaizana iraisam-pirenena vao tsy ela akory izay, toy izany koa ny solotenan’ny tany ama-monina any an-toerana, ny mpikambana any amin’ny fiarahamonim-pirenena malagasy, ny solotenan’ny fikambanana iraisam-pirenena sy ny masoivoho, dia mbola mikiry biby ihany ny fanjakana Malagasy hivarotra ny tahiry, nefa izany dia tsy hoe hanimba ny andramena mitsipozipozy hany sisa velona fotsiny  fa hahazoan’ny mpanondrana an-tsokosoko tombontsoa ihany koa noho izy handray onitra mivantana.”

Manoloana izany toe-javatra izany, ny TI-IM sy ny  AVG dia manainga ny tompon’andraiki-panjakana voakasik’ity raharaha ity mba hanatanteraka ny teny nomeny ka hanaja an-tsakany sy an-davany ny fanekena nataony ka:

  1. Hanatontosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana andrasana aminy mikasika ny raharaha “hazo sarobidy”, ary hijery tsara raha  tonga any amin’ny vahoaka ny tatitra momba izany;
  2. Hanasazy tsy am-pihambahambana ny mpanondrana an-tsokosoko rehetra sy ny mpiray tsikombakomba aminy, anisan’izany ny  olom-panjakana sy ny mpanao politika voarohirohy amin’ny fanondranana hazo sarobidy;
  3. Hanefa ny adidiny amin’ny fiarovana ny olona mirotsaka hiaro ny tontolo iainana sahy nanoro ny fanondranana an-tsokosoko sy ny mpanao azy, toy izay hanasazy sy hampihorohoro azy ireny;
  4. Hanatontosa ao anatin’ny mangarahara tanteraka ny fanisana ny tahirin’andramena tavela ka hampandraisina anjara amin’izany ny fiarahamonim-pirenena, ary hanao izay hanatanterahana ny fepetra voalazan’ny Drafitra fitantanana ny tontolo miaina tamin’ny volana mey 2016.

 Etsy an-daniny ny TI-IM sy ny AVG dia manentana ny kandida mirotsaka ho filoha hanambara am-pahibemaso ny heviny mikasika an’io raharaha io mandritra ny fampielezan-kevitra ataony, ka holazainy mazava amin’izany izay fepetra tsy maintsy horaisiny mba hanafoanana tanteraka ny fanondranana hazo sarobidy, sady ny fikarohana nataon’ny OCCRP rahateo dia mampiseho fa ny sasantsasany amin’izy ireo dia tafiditra amin’ny io fanondranana an-tsokosoko io, na izao na taloha. Ny fanamorana ny fivarotana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy dia heloka bevava mikasika ny tontolo iainana iraisam-pirenena ary tsy maintsy mandalo fitsarana iraisam-pirenena ihany koa ny olona  manao izany.

1 Ny tiana holazaina amin’izany dia ny hazo mainty, ny varongo ary ny andramena

2 Antontan’isa nalaina tao amin’ny Tatitry ny fivoriana faha 67 nataon’ny Komity maharitry ny CITES, tany Johannesburg, 23 septambra 2016

3 Nalaina tao amin’ny Fepetra noraisin’ny Komity mikasika ny fampiharana ny Fifanarahana CITESmomba ny fivarotana hazo mainty, varongo ary andramenan’i Madagasikara – fivoriana faha 17-n’nyFihaonamben’ny Antoko, Johannesburg (Afrika Atsimo), 24 septambra – 5 oktobra 2016